Tsy diso làlana (TDL (True Direction Life))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Maro fahavalo aho noho Ianao.
Toa halany avokoa izay hatao.
Manenjika ahy daholo ireo manodidina ahy.
Hangina aho satria Ianao miady ho ahy.) x2

Fa ny fanantenako Anao dia ho mandrakizay.
Efa natokako ho Anao ny tenako sy izay momba ahy.
Tsy diso lalana aho, fa miandrandra ilay tananao mahery sy tsy mamitaka.

(Na miady mafy sy mahantra aho.
Na noana sy mahia noho ny asanao.
Tsy kivy aho satria miaraka Aminao.
Dia fantatro fa Ianao hiady ho ahy.) x2

(Fa ny fanantenako Anao dia ho mandrakizay.
Efa natokako ho Anao ny tenako sy izay momba ahy.
Tsy diso lalana aho, fa miandrandra ilay tananao mahery sy tsy mamitaka.) x2

(Tsy diso lalana aho, fa miandrandra ilay tananao mahery sy tsy mamitaka) x2
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TDL (True Direction Life)
Vangy : 4217
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Jaorado
Daty : 10/09/2017 15:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716