Dia lasa ianao (TDL (True Direction Life))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ny fananao rehetra anie hafoiko ho anao
Na izany aza, mba saino ihany ny atao
Ianao efa nanapa-kevitra fa andao Ahy
Dia tsy hitako izay hatao fa mangahiahy

Efa lehibe ianao, ka tompon-tsafidy
Dia lasa nandao nifalifaly izay tsy izy
Fa Izaho, malahelo satria lasa ianao

Efa lehibe ianao, ka tompon-tsafidy
Dia lasa nandao nifalifaly izay tsy izy
Fa izaho, malahelo satria lasa ianao

Ref: Anaka, atolory Ahy ny fonao
Fa mbola miandry foana Aho hatram'izao
Ianao ity toa tsy mba mahatsiaro
Ny fisiako intsony
Fa ny ditran'ny fonao
No nomenao toerana ambony
Tsy zakanao ny ranomason'i Dada
Mibadabada miantso mafy miandry anao
Hoe : miverena zanako

2-'Zay hitan'ny masoko rehetra anie mampatsiahy anao
Hoe any izao ilay sombin'ny aiko fa varian-dalao
Ianao tsy mba miezaka intsony mahatsiaro Ahy
Fa aleonao mizotra manohy ny lalana haratsiam-panahy

Efa lehibe ianao, ka tompon-tsafidy
Dia lasa nandao nifalifaly izay tsy izy
Fa izaho, malahelo satria lasa ianao

Efa lehibe ianao, ka tompon-tsafidy
Dia lasa nandao nifalifaly izay tsy izy
Fa izaho, malahelo satria lasa ianao

Ref: Anaka, atolory Ahy ny fonao
Fa mbola miandry foana Aho hatram'izao
Ianao ity toa tsy mba mahatsiaro
Ny fisiako intsony
Fa ny ditran'ny fonao
No nomenao toerana ambony
Tsy zakanao ny ranomason'i Dada
Mibadabada miantso mafy miandry anao
Hoe : miverena zanako


Ref: Anaka, atolory Ahy ny fonao
Fa mbola miandry foana Aho hatram'izao
Ianao ity toa tsy mba mahatsiaro
Ny fisiako intsony
Fa ny ditran'ny fonao
No nomenao toerana ambony
Tsy zakanao ny ranomason'i Dada
Mibadabada miantso mafy miandry anao
Hoe : miverena zanako

Efa lehibe ianao, ka tompon-tsafidy
Dia lasa nandao nifalifaly izay tsy izy
Fa Izaho, malahelo satria lasa ianao

Efa lehibe ianao, ka tompon-tsafidy
Dia lasa nandao nifalifaly izay tsy izy
Fa izaho, malahelo satria lasa ianao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TDL (True Direction Life)
Vangy : 5312
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : mahery2015
Daty : 14/07/2016 09:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0772