Hafakely (feat Steph Rambi & Fifih) (Tax Ratsimba)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
"Ho an' ireo zaza, olombelona jiabiarô
Ireo sembana rehetra, ireo ray aman-dreny miady tsara
Ireo mpitolona an-tsitrapo, mijoro, mitraka
Eraky ny Tanindrazanay
Ho an'ny Zanako...Yaw !"

Eo anivon'ny fiainako,
Ilay silaky ny aiko, dia tsy afaka an-tsaiko
Ilaiko, zanako andrianiko hajaiko
Ilay mijery ny fiainana hafakely
Toa tsy manan-tsiny, tsy ohatra fa tena anjely

Ianao Ilay volana, fanilon'ny aliko
Na inona na inona hidona dia izao ihany no havaliko
Zay eo foana, mitondra fitiavana
Zarainay ilay hery mitondra finiavana

Ianao ilay mampidoboka ny foko
Ianao ilay tia mizara fifaliana hafa loko
Ilay mamy nosotroiko, raha sendra mitoloko
Am-bavaka trotroiko, hafakely tsy foiko !

Amen ! Ianao ilay maha te hitahy
Mahatehotia tsy maha te hipà, mistery maha te hizaha
Na tarehy io na mozika, mitovy hono tsika
Ao amin ialahy hono ilay fika... Zokin' i Baliaka.

Ô Ry foko aza ohatran'io
Fa izao no hany tadidio
Ray aman-dreny tsy hiafy eo foana!
Ny Otista tsy ho adino eo foana!

Hafakely, tsy irery tsy vitsy ny ohatry ny zanakay
Misy ny havanay, misy maro no akamanay
Ray aman-dreny anatin ny ady tsara
Satria mitolona ho an dimby sy fara

Misy fahasembanana izy fa tsy adala re
Hafa ny sainy fa ny fanahy tsara tarehy
Hafa fihetsiny, tsy mitovy amin'ilay mahazatra
Tia tambitamby, tia atao eo an-tratra

Otista izy nefa : afaka mandeha mianatra
Otista izy nefa : afaka misandratra
Otista izy nefa : afaka rehareha
Otista izy nefa : afaka mahare

Ka asandratro ny feo ho ren'ny rehetra
Ekeo ny fahasamihafana, ekeo tsisy fepetra !
Fikambanana maro no miara-mikaon-doha
Mila fitiavana izy ireo, pì-maso ho an'ny Filoha !

Ô Ry foko aza ohatran'io
Fa izao no hany tadidio
Ray aman-dreny tsy hiafy eo foana!
Ny Otista tsy ho adino eo foana!

One Love, One heart
Isan'andro lohataona !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tax Ratsimba
Vangy : 1144
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/04/2019 21:48
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0686