Saofera (Tarika Vintsy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola tsy mahalala ndry retsy ka aoka ilazako azy
Tsy tantara valamaty izy ity na resaka tsy hita maso
F’ireny saofera ireny anie toy ny voromanidina
Mahazo izay ilainy izy eh, dia lasa misidina

Ndriko mantsy sao mihevitra ah
Fa raha te ahita tany, na hiraozy any alavitra any
Kanefa tsy manambola, dia ireny saofera ireny ihany
No tsara iaraha midola oh oh
Nofinofy hany zany eh, sao ndry tsy mahalala
Sao tonga any Antampoketsa any ndry vao ilaozany lasa adala

Ny fahamatora-ndry akia no tsy ampy
Ka tsy azoko omena tsiny
Fa ny azy tsy tokantrano mazana no zavatra tena iriany
Omeny ny lokaloka ndry retsy zay sendra hitsin’ny sainy
Rehefa tonga any antsisitsisiny any dia vitainy zay ilainy
Iny ary ianao fa lasa mibaby kitra
Dia mibontsina toy ny atody, izy tsy hita fa lasa nody
Eo ianao vao mitsakotsako,
Firôziana sy gala iray ve no ahatonga ity zaza tsy hanandray

Aleo manaja tena miandry izay ho sahaza
Dia antongotra sy ny fiara tsy mitovy
Dia lasa nanala zaza

Tsy fantatri-ndry koa angaha retsy f’ireny saofera ireny
Mahay mandambolambo amin’ny fomba firesaka sy fiteny
Omeny kidaondrano ndry retsy dia satry andeha foana dia adino ny tokantrano ary koa ny vady dia tsy tsaroana
Mahimahina ihany ary ianao ry madama
Hajao izay hanana, dia ny vady eo ampelatanana
Fa sao dia mahita angano,
ka ho ravan’ireny saofera ireny ny hajan’ny tokantrano
Oh oh oh sao votsidroa ka izay vao hangaina
Sao setroka échamppement sisa tazana izay vao ho tonga saina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Vintsy
Vangy : 2044
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : andriatoavna
Daty : 08/05/2015 22:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0756