`FOTOANA FOHY ( TARIKA TSINJO)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : TARIKA TSINJO
Mpamaky : 1957
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 26/06/2005 11:28:03
ID : 3152

Imprimer Facebook Facebook
Fotoam-pialan-tsasatra iny
No nahitako anao
Nihevitra aho fa nanofy
Raha nitafa taminao
Nitselatra lay foko tia
Babo ka namboraka fitia
Fa ny faniriako anilanao
Fahasambarako ny hanaja anao

Nefa fotoana vitsy monja ihany
No niainantsika roa izany
Dia norarana tsy hiara-dia
Nohon’ny saranga tsy mitovy
Nefa atao ahoana intsony moa
No fanadino ireo taloha
Fitsapana izao rehetra izao
Ny hery ho ahy dia tiako ianao

Fa any volana taona eh
Reo mpandrara antsika ireo
Mbola ho moana, f’izaho sy ianao re hiaraka foana
Ny anjara tsy azo sakanana
Raha ory aho ka mitia, ny manana

                                   TSINJO 2005

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo