NY MASOANDRO IVA (TARIKA SELA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny masoandro aza iva
Na koa efa ho diva
Ny vatany no ho simba
Ny hafatra ,apetrakay aminao


Hifonanay eto izy anio
Fa sisan’ady izy ankehitrio
mba diovy ka hadio
Fa mba te ho eo akaikinao


Mba havoty hono hoe ”ny fanahiny”
Ny heloka sy ditrany
Tsy hanarak’azy
Ny soa kely vitany
Tohizanay sahady


Izy aza efa handao
Ka hiantraho raha sitrakao
Ary koa mba hivavaho
F’izahay hanankina aminao


Ry lanitr ô mba jereo !
Ity MAMANAY mba vonjeo
Mitalaho sy mitoreo
Ny fiainany ety efa TAPITRA HATREO.


Tonony sy feony : HANDRINANTSOA 034 11 141 75 / 032 11 141 75 / 033 11 141 75
--------
Rohy:
Hevitra
handrinantsoa ( 17/11/2017 14:40)
Misy version roa NY MASOANDRO IVA .
ny iray hataon ' ny TARIKA SELA ary ny iray MARIKA marihiko fa samy ara-dalana avokoa ireo .efa nahazo fankatoavana taty amin'ny mpamorona daholo .
Misaotra tompoko!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TARIKA SELA
Vangy : 1170
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : handrinantsoa
Daty : 17/11/2017 14:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751