FO TOROVANA (TARIKA SELA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fo torovana sy ginan'ny toloko
Mitambesatra manjoga toa misoko
Alahelo embonembon'olon-tiana
Eto anivon'orambaratra tsy sina

Tsaroako iny andro lasa iny
Tsikitsiky sy hehy tamin 'iny
Ny hany mba fanantenaiko
Dia ny hihaona aminao sombin'ny aiko

Mitamberina ao an-tsaina mifanesy
Ireo lokalokanao mba tsy ho lefy
Fahatsiarovana no sisa ho vetsoina
Hampitohy ny alahelo sy ny ratram-po

Tazoniko ho ahy samirery
Ireo diana natao mba tsy ho very
Na ho ela na ho aingana izany
Antenaiko hisy fihaonana hatrany

Fo torovana sy ginan'ny toloko
Mitambesatra manjoga toa misoko
Alahelo embonembon'olon-tiana
Eto anivon'orambaratra tsy sina

Fo torovana sy ginan'ny toloko
Mitambesatra manjoga toa misoko
Alahelo embonembon'olon-tiana
Eto anivon'orambaratra tsy sina

Tsaroako iny andro lasa iny
Tsikitsiky sy hehy tamin 'iny
Ny hany mba fanantenaiko
Dia ny hihaona aminao sombin'ny aiko


Tonony sy feony : HANDRINANTSOA 034 11 141 75 / 033 11 141 75 / 032 11 141 75
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TARIKA SELA
Vangy : 1476
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : handrinantsoa
Daty : 17/11/2017 14:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728