Tena sambatra (Tarika Ny Hasim-piderana)



Ah tena sambatra e, mahasambatra
Fa tsara loatra ny hira fiderana
Ah tena sambatra e, mahasambatra
Fa kanto loatra ny hira fiderana

1. Fa ngolingoly ny fo amam-panahy
Tsaroana ho maivana ny ady anatiko ao
Misinda hatreo ny adin-tsaina sy ahiahy
O o o o fa tsara ny fidetononkira.serasera.orgrana Anao

2. Injao fa reko mandona am-poko ao
He tonga indray ny fanantenana vao
Mitraka indray ny ao anaty saika lao
O o o o fa tsara ny fiderana Anao

3. Fa torotoro ny fo amam-panahy
Tsaroana ho maivana ny ady anatiko ao
Misinda hatreo ny adin-tsaina sy ahiahy
O o o o fa tsara ny fiderana Anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tarika Ny Hasim-piderana
Mpamaky : 142
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : heryfitiavana
Tamin'ny : 07/05/2018 09:32:12
ID : 10590

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo