Mamiko indrindra (Tarika Ny Hasim-piderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Mamiko indrindra Ianao Jehovah heriko
Ianao no harambatoko sy fiarovana avo ho ahy
Andriamanitro vatolampy ialofako
Ampingako ary tandroka famonjena ahy

Miantso Anao Andriamanitra o
Fa mendrika ho deraina Ianao
Asandratray sy ankalazaina
Ny feonay nitaraina taminao
Niaino Ianao Andriamanitra

2. Misandràta Ianao Jehovah Tompo o
Fa lehibe ny indrafonao sy ny fahamarinanao
Andriamanitra o tafatoetra ny foko
Ny fanahiko mihira sy mankalaza Anao

Fa tsara indrindra Ianao
Midera Anao, lehibe ny voninahitrao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Ny Hasim-piderana
Vangy : 1224
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : heryfitiavana
Daty : 07/05/2018 10:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2616