Indraindray (Tarika Ny Hasim-piderana)


1. Indraindray aho
Te hanontany Anao Tompo o ny anton’ny fahoriana ety
Indraindray Tompo o
Raha sendra mandalo ady aho ka mila hilofika
Fa dia very fanahy toa mila tsy hahay hionona
Ka velona ahiahy: miaino ahy va Ianao?

Nefa Tompo o
Aza avelanao hiteny aho na hametra ny fisainanao
Tsy azo hoharina,ny fihevitrao, lalanao tsy mba haiko fantarina
NTsiky dia ampyefa Tompo o
Aza avelanao irery aho fa Ianao no hany heriko
Ny amiko, ny ho aviko eo an-tananao
Ny fitiavanao, ny indrafonao tena mamiko

2. Indraindray aho,
Te hanontany Anao Tompo o raha ny fiainanay ety
Indraindray Tompo o
Toa salovan-tsento taraina lay tsiky maraina teo
Fantatro fa tsy misy izay tsy hainao
Ka hahay hangina aho miandry izay lahatrao

TARIKA NY HASIM-PIDERANA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tarika Ny Hasim-piderana
Mpamaky : 209
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : heryfitiavana
Tamin'ny : 05/05/2018 13:24:30
ID : 10585

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo