You are here: home > Tononkira > Tarika MIRAH

Aza miandry azy (Tarika MIRAH)

Aza miandry azy ianao,fa tsy hoavy izy anio
Izay no hafatra napetrany fa tafahaona izahay
Nahasorena azy angamba, ny toetra izay nasehonao
Manafina aminy ny momba anao
Aza atao mahataitra anao, ny tsy ahatongavany eto izao
Malahelo mafy angamba izy noho ireo fihetsikao
Zavatra tsy tantiny,ny mitazana anao
Mifampisangy amin'ny hafa eo imasony

Mba marary ihany anie ny sainy tsy hankaty aminao
Mba malahelo ihany anie izy tsy hankaty aminao
Nefa ataony ahoana kosa moa ny hieritreritra tononkira.serasera.orgfa ianao
Dia mbola manana olon-kafa hotiavina,
Fa tsy ho azy ianao, tsy ho azy irery ihany ?

Niezaka ny handefitra izy, fa mbola tena tia anao
Nefa aza omena tsiny hono raha tsy ho tonga eto izy anio
Tsy miafina aminy intsony fa mifankatia ianao
S'iny olona iny hatramin'izay

Mba marary ihany anie ny sainy tsy hankaty aminao
Mba malahelo ihany anie izy tsy hankaty aminao
Nefa ataony ahoana kosa moa ny hieritreritra fa ianao
Dia mbola manana olon-kafa hotiavina,
Fa tsy ho azy ianao, tsy ho azy irery ihany ?

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tarika MIRAH
Mpamaky : 142
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Dahfara
Tamin'ny : 14/06/2017 07:46:30
ID : 9718

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo