Toy ny any ny aty (Tarika Loly)

Mpihira : Tarika Loly
Mpamaky : 728
Nampidirin'i : rajy
Tamin'ny : 10/03/2010 10:15:14
ID : 5722

Imprimer Facebook Facebook
Raha manjombonjombona ny any e
Ka mila ankarary ny fo
Mahatsiaro fa latsa-tomany e
Torovana sy mararary an-doha

Tsarovy fa toy ny any ny aty e
Izay manjo anao any no manjo ahy fa aza kivikivy ialahy
Na dia lavitra aza ny elanelan-tany
Tsy atoko anadinoina an'ialahy
Fisarahana tsy miala @ tany
Fa aza kivikivy ialahy

Tsy hilaozam-pitsapana ny tany e
Maro koa ny fakam-panahy
Mety misy koa @izany e
Manadaladala an'ialahy

Tsarovy fa toy ny any ny aty e
Izay manjo anao any no manjo ahy fa aza kivikivy ialahy

Na dia lavitra aza ny elanelan-tany
Tsy ataoko anadinoina an'ialahy fisarahana tsy miala @ tany fa aza kivikivy ialahy
Na dia lavitra aza ny elanelan-tany
Tsy ataoko hanadinoina an'ialahy
Hanoratra aho ho anao hatrany hatrany fa aza kivikivy ialahy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo