Embona (Tarika Lafatra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manina anao aho chériko ô
Efa ela zay zaho ko tsy nahita anao
Izaho irery no aty an-tanin’olona
Iza moa no mba hitarainako
Ianao irery no afaka hampitony ny fo
Hiaino ny fitarainako hampionona ahy
Mangina ny tontoloko semban-drahona
Ny alahelo anao no mibahana

Aiza ianao? aiza ianao? hanasitrana ny fo
Hanafana ilay afom-pitiavana miredareda anatiko ao
Aiza ianao,aiza ianao,malahelo lotra anie aho
Tiko ho fantatrao fa tsy ho andriko ny andro hiverenana

Mahatsiaro ireo safosafo
Ireo teny maminao tambitambinao
Izany anefa tsy ampy ho fiononana
Ka hoe foana teo ny alaheloko
Ianao irery nno afaka hampitony ny fo
Hiaino ny fitarainako hampionona ahy
Mangina ny tontoloko semban-drahona
Ny alahelo anao no mibahana

A/C: Avoko ANDRIAMIHAJA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Lafatra
Vangy : 1413
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : 00336255707
Daty : 28/08/2016 12:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0811