VONONA AHO (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

1- Marina sy tsy azo lavina
Fa maditra izahay tsy azo anarina
Tompo ô! Midira ato am-po
Mba ho mora fa tsy hanamafy fo
Mino aho Jesoa fa Ianao
Tia anay ka nandao ny lapanao
Tsy ho voavaliko izao
Ny fitiavam-be izay nomenao
Fa manjakà ato amiko Ianao
Mba itiavako toy ny Anao

Réf: Vonona aho manomboka izao
Vonona ny hanaraka Anao
‘Zay miseho amin’ izao tontolo izao
Tsy ahoako noho ianao
Mitoera re! ato am-poko
Mba ho fo tena tafaray
Fa Ianao irery no Tompoko
Anitononkira.serasera.orgo sy mandrakizay

2- Raha ny adalana izay natao
Na hitetika hanao ny tsara aza aho
Nefa moa ny foko tsy Anao
Tsy anisan’ireo voavonjy aho
He! anketrininy kosa
Ny fitiavanao tsy miavosa
No anolorako ho Anao
Mba ho tena valim-pitiavanao
Dia ny foko mihitsy izao
No indro omeko ka anjakao

Réf: Vonona aho manomboka izao
Vonona ny hanaraka Anao
‘Zay miseho amin’ izao tontolo izao
Tsy ahoako noho ianao
Mitoera re! ato am-poko
Mba ho fo tena tafaray
Fa Ianao irery no Tompoko
Anio sy mandrakizay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Mpamaky : 55
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : faliherijaona17
Tamin'ny : 08/08/2017 20:37:33
ID : 9829

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo