Tompo ô tahio (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

1)Tompo ô tahio
    Ity tanindrazanay
    Mba jereo ka ampio
    Hazavao ‘ty nosinay
    Ary avaozy koa ny saina
    Mba ho masina tokoa
    Handry fehizay no ilaina
    Ka hitondra voka-tsoa

2)Tompo ô tahio
‘Zay mitondra anay izao
Mba tsidiho sy tariho
KaTsiky dia ampy toroy ny hevitrao
‘Reo mpitondra fanjakana
Ao koa ny mpanao lalàna
Mba handroso sy hihatsara
Tanindrazanay malala

3)Tompo ô tahio
Izahay madinikao
Mba tohano ka vangio
Hiorim-paka ao aminao
Mba hiadananay tokoa
Ka ho sambatra sy soa
Eo ampanarahan-dia Anao
Ho salama lalandava izao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Mpamaky : 80
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : faliherijaona17
Tamin'ny : 08/08/2017 20:47:45
ID : 9832

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo