Raha sitrakao (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/Indro ry Tompo rakotra loto
Ny aizim-pito manarona ny tany
Manan-karena na mahantra
Ny asan’ ny nofo manjaka aok’izany

Fiv:Koa raha sitrakao ry Tompo
Tomoera ato am-poko
Ka n’aizan’aiza no aleha
Hianao no rehareha
Ny asan’ny fo ‘zay madio tokoa
Mitondra famonjena mandrakizay doria

2/Hianao mahita ny anaty fanahy
Ka fantatrao koa ny fitempon’ny fo
Ny adin-tsaina na ny adim-panahy
Aza avela irery aho Jesoa malala ô!

Fiv:Koa raha sitrakao ry Tompo
Tomoera ato am-poko
Ka n’aizan’aiza no aleha
Hianao no rehareha
Ny asan’ny fo ‘zay madio tokoa
Mitondra famonjena mandrakizay doria
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Vangy : 1091
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : faliherijaona17
Daty : 08/08/2017 21:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2847