NY FIRENENA (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

1-Ny firenena dia mandalo lalan-tsarotra tokoa
Fitiavan-tena no manjaka ao koa ny lolom-po
Ny vahoaka moa, dia sahirana mijaly avokoa
Ao ny vola, ny harena fa ao ihany koa ny aretim-po

Réf: Apetraho amin’ny Ray ny fiainana
Ho foana hatreo ‘reo fitarainana
Fa na ny omaly sy ny anio aza dia mbola nomeny
Satria voalaza ombieny ombiTsiky dia ampyeny fa Azy ireny

2-Ny firenena semban-drahona matetika ny dia
Mampahonena very anjavona ny teny hoe fitia
Fifandrafiana no mikiky zary hampamoy fo
Ao Jesoa fifaliana mandresy ny ady sy ny manjo

Réf: Apetraho amin’ny Ray ny fiainana
Ho foana hatreo ‘reo fitarainana
Fa na ny omaly sy ny anio aza dia mbola nomeny
Satria voalaza ombieny ombieny fa Azy ireny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Mpamaky : 140
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : musertech.ir
Tamin'ny : 07/06/2019 08:47:55
ID : 11793

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo