NY FAHASOAVANAO (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Kanto loatra ny fitiavanao
Ry Jesoa, he kanto loatra ny hatsaranao
Fa nanaiky nidina tety
Hamonjena ny ondry izay nania

Kanto loatra ny fitiavanao
Ry Jesoa, he kanto loatra ny hatsaranao
Fa nanaiky nidina tety
Hamonjena ny ondry izay nania

Réf: Meteza mba handray ny tanako
Meteza ho mpitantana ny fiainako
Ampy mandrakariva ny fahasoavanao
Fa ampy ho ahy ny fahasoavanao

2- Kanto loatra ny fitiavanao
Niaritra ny mafy mba hisolo voina anay
Toera-mamy koa nilaozanao
Dia ny lapa soa an-tranon-dRay

Kanto loatra ny fitiavanao
Niaritra ny mafy mba hisolo voina anay
Toera-mamy koa nilaozanao
Dia ny lapa soa an-tranon-dRay

Réf: Meteza mba handray ny tanako
Meteza ho mpitantana ny fiainako
Ampy mandrakariva ny fahasoavanao
Fa ampy ho ahy ny fahasoavanao

Ka ny foko sy ny saiko
Atolotro ho Anao
Dia Ianao no ho lalaiko
Ka hianoka aho ambany elatrao

Réf: Meteza mba handray ny tanako
Meteza ho mpitantana ny fiainako
Ampy mandrakariva ny fahasoavanao
Fa ampy ho ahy ny fahasoavanao (x3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Vangy : 968
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : musertech.ir
Daty : 07/06/2019 08:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0869