Ny anilanao no mahatsara ahy (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

1/Ny anilanao no mahatsara ahy
Sambatra foana ny fanahy
Ka fantatro izao fa tsara Ianao  
Tsy maty am-po ny Anaranao

Ny zava-bitanao dia fahatsarana
Ny zava-boaharinao dia fahatsarana
Ny mialoka Aminao dia fahatsarana
Izay rehetra izay dia fahatsarana

Réf:Tsy misy, tsy misy atakalo Anao e!
Na tsara toy inona izao sy izao e!
Deraina e! Ny Tompo Mpanjakanay e!
Deraina e! Deraina manTsiky dia ampydrakizay

2/Ny akaikinao no mahatsara ahy
Fa feno hery ny fanahy
Ny asa rehefa iarahana Aminao e!
Hafaliana foana izay atao

Ny miaina tsisy Anao dia faharatsiana
Ny asa tsisy Anao dia faharatsiana
Ny hery tsisy Anao dia faharatsiana
Izay rehetra izay dia faharatsiana

Réf:Tsy misy, tsy misy atakalo Anao e!
Na tsara toy inona izao sy izao e!
Deraina e! Ny Tompo Mpanjakanay e!
Deraina e! Deraina mandrakizay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Mpamaky : 100
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : faliherijaona17
Tamin'ny : 08/08/2017 21:37:11
ID : 9833

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo