MIDERÀ (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

1-Tsy kisendrasendra zao fotoana izao
Fa voalahatra ny amiko sy ny aminao
Tsy hoe rendraredra no ho atao
Fa ny fiderana, indray mihira hosana

Réf.1.Raiso am-pifaliana zao teny izao
Araho fitsikiana raha mety ianao
Ho anao manan-tsofina mandre
Derao Ilay Mpanjaka lehibe

Réf.2.Miderà, Miderà, Miderà
Miderà dia miantsoa ny anarany
Miderà, Miderà, Miderà
Ataovy fantatra hatraTsiky dia ampyny ny asany        

2-Tsy kisendrasendra ny fotoana anio
Andriamanitra no niantso tadidio
Ndeha ankalazao amin’ny fo madio
F’Izy Ilay mahery, Izy itokio

Réf.1.Raiso am-pifaliana zao teny izao
Araho fitsikiana raha mety ianao
Ho anao manan-tsofina mandre
Derao Ilay Mpanjaka lehibe

Réf.2.Miderà, Miderà, Miderà
Miderà dia miantsoa ny anarany
Miderà, Miderà, Miderà
Ataovy fantatra hatrany ny asany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Mpamaky : 159
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : musertech.ir
Tamin'ny : 07/06/2019 08:45:57
ID : 11794

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo