Izy Ilay Fahamarinana (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

1-Raha mandeha isan’andro ianao  
Manao ny asa toy izay fanao
Fa ny ratsy no manjaka izao
Aiza ilay fahamarinana?

Mora kivy angamba ianao
Mora resy noho izao sy izao
Metimety ve ny fiainana!
Aiza ilay fahamarinana?

Réf:Ndeha fikiro hoe, aza adino
Vavaka izay arahim-pinoana
Itafio  sy isikino
FiTsiky dia ampytafiam-pahamarinana

2-Te handroso angamba ianao
Ka ny tsara no antenainao  
Fa ny ratsy tsy miala ao
Aiza ilay fahamarinana ?

Mbola misy ihany kosa
Ny atao hoe tena marina
Dia Jesoa manafa-doza
Izy Ilay fahamarinana

Réf:Ndeha fikiro hoe, aza adino
Vavaka izay arahim-pinoana
Itafio  sy isikino
Fitafiam-pahamarinana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Mpamaky : 84
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : faliherijaona17
Tamin'ny : 08/08/2017 20:37:18
ID : 9830

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo