Izaho tsy handao na hahafoy anao (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

1/He ry Ray ô! misaotra sy mankasitraka
Misaotra sy mankasitraka Anao Tompon’ny Tompo
Nofidinao ka resy ilay mpamitaka
Lay tana-maherinao ry Ray nanala ny loto

Fitiavan-dehibe natolotrao
Indro nomenao fitafiana vao
Mbola niteny ihany koa Ianao
“Izaho tsy handao na hahafoy anao”

He ry Ray ô! misaotra sy mankasitraka
Misaotra sy mankasitraka Anao Tompon’ny Tompo
Nofidinao ka resy ilay mpamitaka
Lay tana-maherinao ry Ray nanala ny loto

Fifaliana lehibe Ho an’izay mandre
Ka sahia manao hoe Tsy hatahotra aho
Fa Jesoa Mpamonjy Zay avy any ambony
No indtononkira.serasera.orgro miaraka aminao

2/Ianao Ray no andry sy fiarovako
Ianao irery Ilay tokako  Tompoko sy Andriamanitro
Na mahery aza ireo fahavaloko
Tsy haharesy ny sandrinao zay toky sy heriko

Fitiavan-dehibe natolotrao
Indro nomenao fitafiana vao
Mbola niteny ihany koa Ianao
“Izaho tsy handao na hahafoy anao”

Ianao Ray no andry sy fiarovako
Ianao irery Ilay tokako  Tompoko sy Andriamanitro
Na mahery aza ireo fahavaloko
Tsy haharesy ny sandrinao zay toky sy heriko

Fifaliana lehibe Ho an’izay mandre
Ka sahia manao hoe Tsy hatahotra aho
Fa Jesoa Mpamonjy Zay avy any ambony
No indro miaraka aminao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Mpamaky : 164
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : faliherijaona17
Tamin'ny : 08/08/2017 21:30:05
ID : 9836

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo