HIANAO FAHENDRENA (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

1-Hianao fahendrena,
Ao am-po tsy terena
Madio fo, mora koa
Tia ny fanaovan-tsoa
Feno fanetren-tena
Tsy mba misora-tena
Na aiza no  aleha
Tsy mba mirehareha

Réf: Mahery ny fitiavany
Mora fo sy mora fanahy
Mitsinjo no fiainany
Manasoa tsy amin’ahiahy

Ho anao ‘zay hanovo fahendrena
Ho anao ny hadalana izao resena
Raiso anio Jesoa tomtononkira.serasera.orgpom-pamonjena

2- Maro no mahalala
Fa hianao fahendrena
Manova ny olona
Ho amin’ny famonjena
Tsisy tombo sy hala
Nefa koa raha jerena
Antoka manala
Ny ota tsy hay fefena

Réf: Mahery ny fitiavany
Mora fo sy mora fanahy
Mitsinjo no fiainany
Manasoa tsy amin’ahiahy

Ho anao ‘zay hanovo fahendrena
Ho anao ny hadalana izao resena
Raiso anio Jesoa tompom-pamonjena

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Mpamaky : 123
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : musertech.ir
Tamin'ny : 07/06/2019 08:45:42
ID : 11795

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo