He! matoky aho (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

1-He! matoky aho ry Tompo Andriamanitra ô!
Amin’ireo sy izay miseho aminay
He! Matoky aho na mandalo ady sarotra
Dia mbola ekenay fa izay no hahasoa anay

Fa mafy aminay izay nofo aman-drà
Mila hanakivy sy hampiketraka indraindray
Matoky anefa fa ianao tsy mba mandà
Ny fo maratra izay sitraninao indray

Réf:
Mino aho ry Tompo ô! efa voadinikao
Ny fiainanay tsirairay izay eo an-tànanao
Ka afoiko ho Anao izay rehetra momba ahy
Na ny saina na ny fo ary koatononkira.serasera.org ny ara-panahy

2-He! matoky aho ry Tompo Andriamanitra ô!
Mandrakariva dia ny fanatrehanao
He! matoky aho ny fitondranao marina
Ny fiainanay tsy ho an’izao tontolo izao

Fa mihevitra isan’andro ny mety hahasoa
Na dia mafy sy mafaitra ny ady ety
Manefy anay mba hijoro tsara koa
Amin’ny finoana mandrakizay doria

Réf:
Mino aho ry Tompo ô! efa voadinikao
Ny fiainanay tsirairay izay eo an-tànanao
Ka afoiko ho Anao izay rehetra momba ahy
Na ny saina na ny fo ary koa ny ara-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Mpamaky : 264
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : faliherijaona17
Tamin'ny : 08/08/2017 22:32:09
ID : 9843

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo