FITSAPANA (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

1- Mandalo làlan-tsarotra ianao,
Misedra ny mafy izao fiainana izao
Fa hety sady tery anie  
Izay tsy maintsy aleha
Malama sy mandratra koa
Tsy atao kitoatoa izany moa
Fa fitsapana mivaivay
Isedran’ny Tompo Ray

Mazotoa manolotra ny tenanao
Ho olona voazaha toetra
Matokia fa ny Tompo tsy mba mandao
Isaory Ilay Andriamanitra
Manao hoe:

Isaorana ny Tompo Andriamanitra
Fa manana ny Ray ambony aho
Mitsinjo sy mananatranatra
Ka tsy hanan-javTsiky dia ampya-mahory aho

2-  Mitety onjan-drano ianao
Mitopatopa toy izao hita izao
Manonja misamboaravoara
No anjara fitsapana
Mandrendrika ny sambo tokoa
Ny rivotra mifofo, soa ihany moa
Fa teo Jesoa, ka ny ratsy koa
Dia mody fiainan-tsoa

Mazotoa manolotra ny tenanao
Ho olona voazaha toetra
Matokia fa ny Tompo tsy mba mandao
Isaory Ilay Andriamanitra
Manao hoe:

Isaorana ny Tompo Andriamanitra
Fa manana ny Ray ambony aho
Mitsinjo sy mananatranatra
Ka tsy hanan-java-mahory aho

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Mpamaky : 22
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : faliherijaona17
Tamin'ny : 08/08/2017 20:38:09
ID : 9827

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo