FAMINDRAM-PO (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Masina Ianao Ray ô!
Fa Masina Ianao
Masina Ianao Tompo ô!
Fa Masina Ianao

Fa tombotsoa tokoa, tsara sy mahasoa
Manana Anao ry Ray, mitoetra anatinay
Nandresy lahatra ahy ny fitiavanao
K’ataoko anatra ny famindram-ponao
K’ataoko anatra ny famindram-ponao

Tompo ô ! Tsy takatry ny saina tokoa
Ny halehiben’ny voninahitrao Tsitoha
Zay mitady isan'andro ny mahasoa anay
Ny famindram-ponao tsy hay faritana ry Ray

2- Masina Ianao Ray ô!
Fa Masina Ianao
Masina Ianao Tompo ô!
Fa Masina Ianao

Ifonako tokoa ‘reo ditra teo aloha
Soloy fo vaovao ny ao anatiko ao
Miankohoka Aminao ‘zahay ry Tomponay
Fa Masina Ianao ry Andriamanitray
Fa Masina Ianao ry Andriamanitray

Tompo ô ! Tsy takatry ny saina tokoa
Ny halehiben’ny voninahitrao Tsitoha
Zay mitady isan'andro ny mahasoa anay
Ny famindram-ponao tsy hay faritana ry Ray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Vangy : 1714
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : musertech.ir
Daty : 06/06/2019 10:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717