Andeha re hivavaka (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

1/Raha Andriamanitra Ilay avo indrindra,
momba antsika
Iza kosa no hiady, sahy hanohitra?
Izay tsy niaro ny Zanani-lahy,
fa nomeny antsika
Moa tsy maimaim-poana va ny zava-drehetra?

Inona moa, inona moa no soa azonao,
tsisy Jesoa?
Fiainana ve, sa fifaliana mety ho lo,
tsisy Jesoa?
Nefa kosa, nefa raha mino ianao an’i Jeso
Lapa soa, lapa soa no hiantrano anao

Andeha re ! andeha re hivavaka
Sao sondriana latsaka an-davaka
Iaino ny finoana anananao
Fa Jesoa no hampahiratrTsiky dia ampya ny masonao

2/Iza no hahasaraka antsika amin’ny
fitiavan’i Kristy?
Fahoriana ve, sa fanenjehana?
Fa raha mpanompon’ny Tompo tokoa
ka manara-dia Azy
Tsy mba havelany irery fa ho avahany

Inona moa, inona moa no soa azonao,
tsisy Jesoa?
Fiainana ve, sa fifaliana mety ho lo,
tsisy Jesoa?
Nefa kosa, nefa raha mino ianao an’i Jeso
Lapa soa, lapa soa no hiantrano anao

Andeha re ! andeha re hivavaka
Sao sondriana latsaka an-davaka
Iaino ny finoana anananao
Fa Jesoa no hampahiratra ny masonao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Mpamaky : 103
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : faliherijaona17
Tamin'ny : 08/08/2017 20:38:28
ID : 9825

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo