You are here: home > Tononkira > Tanora Masina Itaosy

Vonjeo ny taninay (Tanora Masina Itaosy)

Ray o ! Ampio izahay fa mizaka irery izao fiainana izao
Mifona raha nanilika anao tsy hamerina intsony, fa aza mandao
Hiezaka mba hanadio, ary koa mba hanavao ny fo fanahinay
Hanao araka izay tadidiavinao mba ho mendrika Anao sy ny fitiavanao
Ny fihavananay sy ny fifankatiavanay majary ho fifandrafesana

Vonjeo ny taninay fa mijaly, vonjeo fa mijaly izahay
Tompo o ! mino manantena Anao izahay,
Hanaovao indray ity nosinay
Vonjeo ny taninay fa mijaly, vonjeo fa mijaly izahay
Tompo o ! mino manantena Anao izahay,
Hanaovao indray ity nosinay

Aza avela hifanonto tononkira.serasera.orgna hisy antoko etsy sy eroa e !
Aleo hitambatra iray satria tsy misy hafa samy zanakao
Jereo anie fa mampahonena ireo mosarena, sy ireo malaelo
Efa kivy ny tsy mahita ny anjara masoandro mihatra amin’izao
Ny alin’izy ireny dia hapetraka aminao, Izay tompon’ny haren’ny taninay

Vonjeo ny taninay fa mijaly, vonjeo fa mijaly izahay
Tompo o ! mino manantena Anao izahay,
hanaovao indray ity nosinay
Vonjeo ny taninay fa mijaly, vonjeo fa mijaly izahay
Tompo o ! mino manantena Anao izahay,
Hanaovao indray ity nosinay
Tompo o ! mino manantena Anao izahay,
Hanaovao indray ity nosinay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Mpamaky : 773
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rojo14
Tamin'ny : 10/01/2017 23:05:38
ID : 9062

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo