You are here: home > Tononkira > Tanora Masina Itaosy

Raha mbola fitia (Tanora Masina Itaosy)

Nomeny izao rehetra izao mba hoe anjakana
Nomeny tsy hosimbana na horavana
Notolorany toy ny zaza, notolorana izay sahaza
Kanefa mba tsaroinao ve ilay nanome (ilay nanome!)
Sao dia varina loatra ianao ry sakaiza
Fa miandry ilay Ray efa ela nitaiza
Mba zavatra tena iriny,hiadanan'ny zanaka tiany
Tsy haditra tsy anao Tompo roa, ho tena mpanoa

Ref:Raha mbola fanehoana fitia tsy misy toa ilay tao Kalvary
Ny toerana hovantaninao aza efa namboariny
Isika efa mpandray ny vonona no mbola tsy mahalala onona
Hahantra sy ho tena farahidiny

Raha itan'ny masonao mba ataonao ahona e!
Fa zavatra mety lo ka dia ajatononkira.serasera.orgnony
Mitsera ny Tompo mahery nanavotra anao tsy ho very
Tsy aleo ve ho Azy avokoa izay rehetra ao am-po
Ka hotena fitia tsy mizarazara
No atolotro an'i Jesosy malala
Hazava ny lalan-kombana, sy fanantenana
Izay zavatra mety ho ló tsy ahoako avokoa

Ref:2×
Raha mbola fanehoana fitia tsy misy toa ilay tao Kalvary
Ny toerana hovantaninao aza efa namboariny
Isika efa mpandray ny vonona no mbola tsy mahalala onona
Hahantra sy ho tena farahidiny

Raha mbola fanehoana fitia tsy misy toa ilay tao Kalvary
Ny toerana hovantaninao aza efa namboariny
Isika efa mpandray ny vonona no mbola tsy mahalala onona
Hahantra sy ho tena farahidiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Mpamaky : 322
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Ajarjump00
Tamin'ny : 21/03/2019 10:54:31
ID : 11488

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo