You are here: home > Tononkira > Tanora Masina Itaosy

Matokia (Tanora Masina Itaosy)

Toa manjombona lava ny fo
Adin-tsaina mameno ny loha
Fa mafy angamba raha niainanao
ny hetraketrak'izao tontolo izao

ka ny latsa sy eso androhany
Fombany ihany io fa aza tomany
Fa misy Ray ao 'lay tsy mba mandao
'lay nafoy ny ainy ho anao

Fa zanany ianao, vidin-drany ianao
Matokia Azy fa aza manahy
Fa ny fonaTsiky dia ampyo no ilainy
Hiaraka mandrakizay
honina an-dapan'ny Ray

Fa matokia 'lay Jesosy
'lay mpamonjinao

Ranomaso mirotsaka anio
aza avela ho lasa tadio
Jesosy koa aza mba nitomany
ny eto an-tany anie tsy hilaozan'izany

hasomparana sa fisedrana?
fifandaozana sa tsy salama?
Izany indrindra no niaretany
atolory Azy hoentiny

Fa zanany ianao...

Hevitra mandeha

mamiando (19/08/2017 21:11:09)

Mapte itman b miira anio. TSAPako :*

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Mpamaky : 9242
Mpakafy : 4 Ankafizo
Nampidirin'i : titie27
Tamin'ny : 19/08/2016 08:46:01
ID : 8778