You are here: home > Tononkira > Tanora Masina Itaosy

Fitsarana (Tanora Masina Itaosy)

Lalana mankaiza?
Fidio ka mahaiza misafidy izay alehanao

1- Sao variana loatra,
sondriana tokoa hoe mamy ery
ny fiainana ety...
Heverinao angaha fa raha tsy teo
Jesosy izay nanolotra,
moa nisy izany va?
Tsarovy fa ny antoky ny fahavelomanao
maharitra dia Andriamanitra

Ref: Efa ho avy izao ny fitsarana,
Saino dieny izao ny momba anao
Lalana mankaitononkira.serasera.orgza?
Fidio ka mahaiza misafidy izay alehanao
Ny lalana soa sy tena tsara
Tena azo antoka tokoa
Dia i Jesosy ihany,Jesosy hatrany
Sady manda fiarovako.

2- Efa tsara voatra
ilay toerana arý ankoatra arý
ho an'ireo zanany.
Ho an'ireo mpanompo nahatoky
sy nahavita ny asany,
nanoa ny didiny.
Ho an'izay mibebaka ka miaiky
ny hadisoana vitany teo anatrehany

Ref Efa ho avy izao...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Mpamaky : 12573
Mpakafy : 6 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo15
Tamin'ny : 02/12/2014 15:58:12
ID : 6870

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo