Fantatrao ny amiko (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo o fantatrao ny amiko
Tsisy miafina Aminao ny fiainako
Efa impiry aho no nivoady hatramizao
Nefa sasa-niandry foana Ianao

Mitoera Jesosy ato anatin'ny foko Ianao
Ka levony izao dia zao
Zay tsy asan-tananao

Efa ela no naniry ny hiara-dalana Aminao
Fa ny ratsy foana no toa misosoka eo aloha
Fa malemy aho mora lavo raha misaraka Aminao
Manjaka Jesosy o ato am-poko Ianao

Tompo o mila Anao ny fiainako
Very aho raha tsy azoninao ny tanako
Fa mandrevo anie ny fotaka ety
Mila anao hitantana ny dia

Ka na inon'inona ataoko sy 'zay ezako
Dia ho zava-poana ireny
Raha tsy Ianao no miteny

Manantena mbola hiaona Aminao an-danitra ao
Ka ny tananao roa no handray ny tanako
Fa ny ota sesehena horeseko hatrany hatrany
Ianao Jesosy o no hanefy izany

Ianao Tompo o no itarainako
Fantatrao avokoa 'zay rehetra niainako

Mba tsy hanala-baraka Anao intsony aho
Manomboka izao aho d anjakao

Ho o very aho
raha ilaozanao, raha ilaozanao

Manantena mbola hiaona Aminao an-danitra ao
Ka ny tananao roa no handray ny tanako
Fa ny ota sesehena horeseko hatrany hatrany
Ianao Jesosy o no hanefy izany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 13973
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : source
Daty : 11/10/2018 07:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728