VAOVAO MAHAFALY (TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA)

Mpihira : TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA
Mpamaky : 679
Nampidirin'i : pinou
Tamin'ny : 18/08/2010 10:32:04
ID : 5910

Maro ireo maniry hanam-piainana mirindra
Ho voafehy tsy hifindrafindra
Kanefa miala maina fa tsisy antenaina
Izay rehetra azo toa halazo
Ka manara-po amin’ny toetra tsy mahasoa
Hanariana dia fa ho aiza moa ?
Kanefa nisy ihany, nahita fitsaharana
Ny zioga izay lanjainy toa maivana

Andeha lazao ireo namanao
Fa misy vaovao, fifaliana ho ahy sy ianao
Dia Jesoa ilay namoy ny ainy ho fanavotana
Izy no lalana sy fiainana ary fahamarinana

Maro ireo maniry hanam-piainana mirindra
Koa andeha torio ilay tsara indrindra
Dia Jesoa Mpiandry tsara ilay efa nanambara
Fa Izy no homba anao hatramin’izao

Dia Jesoa, vaovao mahafaly ho ahy sy ho anao.

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo