TOMPO O, MIHAINOA ANAY (TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA)

Mpihira : TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA
Mpamaky : 741
Nampidirin'i : pinou
Tamin'ny : 18/08/2010 10:50:23
ID : 5915

Ry Tompo ô, ry Tompo ô mba mihainoa anay
Na dia mpanota aza re dia aza lavinao

Ry Tompo ô, ry Tompo ô mba mihainoa anay
Mpanota re, tsy mendrika ny atao hoe zanakao
Fa ny ota izay tsy sitrakao no nankafizinay
Ka nampihataka anay tamin'ny lalanao

Mamindra fo aminay, ka vonoy ny helokay
Fa mijaly sy ory izahay mpanomponao
Noho ny fahotanay
Aza ela ry Tompo, avia faingana Ianao
Ka vahao ny gadra izay mamatotra anay
Fa mampahory anay

Avia re ry Tompo ô vonjeo ny zanakao
Aza avela hangahiahy fa Ianao no mpiahy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo