MMFA (MAHARITRA MANDRAKIZAY NY FIDERANA AZY) (TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA
Mpamaky : 604
Nampidirin'i : pinou
Tamin'ny : 05/04/2011 12:10:25
ID : 6001

Imprimer Facebook Facebook
Tsy hierika intsony aho fa manana Anao
Hatramin’izay, hatramin’izao
Tokin’ny fo ny eo akaikinao
Satry tokoa hiaraka aminao

Isan’andro aho te hilaza ny hatsaranao
Falifaly lalandava mankalaza Anao
Mendrika ho Anao ny haja Tompo tia ô
Ny olonao rehetra hiondrika hidera

Hiaraka aminay hankalaza ny Tsitoha
Lay Mpanjakan’ny mpanjaka
Sady Tompon’ny tompo
Tsy ho reraka hatrety ka hatrary
Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy

Sitraky ny fonao ny hiantso ahy
Hanandra-peo hamoky Fanahy
Hitaona ny maro ho ao aminao
Inty aho raiko ô anao ka hanjakao

Tompo Mpanjaka mahery namoron’izao hita izao
Ny zavaboahary rehetra dia samy asan’ny tanany
Tsisy Mpamonjy azo antoka ankoatr’ilay Tompo soa
Ankalazaina eran-tany ny anarany hatrany an-danitra

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo