MAHAFINARITRA (TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA)

Mpihira : TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA
Mpamaky : 648
Nampidirin'i : pinou
Tamin'ny : 18/08/2010 10:31:49
ID : 5911

Mahafinaraitra ahy ny miaraka @ Jesoa
Tsy mba misy mampanahy Izy no hiankinako
N’aiza n’aiza no aleha n’inoninona hanjoa
Mahafinaritra ahy re ny miaraka @ Jesoa

Ny fiainako eto an-tany dia mizotra hatrany
Ny fiainako any an-koatra efa tsara voatra koa..
Ra Izy no ao am-po ho mirana tokoa
Ny fanahiana hody fahasahiana
Ra Izy no ao am-po ho mirana tokoa
Ny fahoriana hody fifaliana

Mba izahao fa tena tsara Jehovah
manome fiainam-baovao ary tsy hanenenanao
Ho sambatra izay mialoka aminy
Sy mankatoa ny teniny
Fa ho mpandova ny any an-danitra
Hitoeram-boninahitra
Hiadana ho finaritra
Ka ho tena sambatra tokoa.

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo