DERAINA (TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA)

Mpihira : TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA
Mpamaky : 681
Nampidirin'i : pinou
Tamin'ny : 18/08/2010 10:31:59
ID : 5912

Hoderaina ny Anaranao
Ry Andriananahary Tomponay
Noho ny voninahitrao,
Noho ny famindram-ponao
Noho ny fitiavanao anay
He fantatray fa tsy mendrika ny ho zanakao
Na koa isan'ny mpanomponao
Saingy novelominao ka nomenao aim-baovao
Dia indro fa nirahinao indray
Ho isan'ny mpianatrao

Izao tontolo izao no tanjoko
Hitoriako ny fitiavanao
Tsy handeha irery fa ny sandrinao mahery
No mitantana ahy ka tsy ho very
Na dia maro ny fakam-panahy
Sy ny onja mila hanafotra ahy
Tsy ho fefika ny sambonay raha mbola eny
'Lay Jesoa tena kapiteny

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo