AVO INDRINDRA (TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA)

Mpihira : TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA
Mpamaky : 642
Nampidirin'i : pinou
Tamin'ny : 18/08/2010 10:32:14
ID : 5907

Fa lehibe ny famindram-ponao
Novonjenao ny fanahiko
Ampianaro ny lalanao aho
Dia handeha amin'ny fahamarinanao

Ka hidera Anao amin'ny foko aho
Hanome voninahitra
Ny Anaranao mandrakizay Jehovah ô

Tsy misy toa Anao ry Tompo sy Andrimanitro
Izao rehetra izao dia hiankohoka Aminao
Hanome voninahitra Anao

Fa lehibe ny fitiavanao
Maneho fa Avo indrindra Ianao
Hiantso Anao amin'ny androm-piainako aho
Dia hamaly ahy tokoa Ianao

Ka hidera Anao amin'ny foko aho
Hanome voninahitra
Ny Anaranao mandrakizay Jehovah ô

Lehibe Ianao ka manao fahagagàna
Ianao irery no Andriamanitra
Tsara Ianao

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo