Zoky love (Tann Faya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Intro: Tann Faya Lamda eny am-poto-tsofinao io Gyal (Hey Gyal)
Hey Gyal, yeah!!!! (Pryaaaa)

TANN FAYA: Mba azafady re raha toa ka mangataka minitra fohy mba hilazako anao,
Feno love anao ny foko saingy ... tsy mahay maneho fitia fa ty porofo ho anao,
F'efa nofiko efa ela, efa ela aho no naniry haneho anao hoe tiako ianao,
Ny hasambarana amin'ny fiainana toa zary lasa inoako rehefa miaina anilanao

Tsikinao no hafanana, zay rehetra mampitsonika lay masonao fahavaloko,
Anilanao 'lay mahasalama ahy, fitiavanao mba hatsarana manaingo ny taniko,
Tsy hampanatena anao ny lanitra fa zay mba kely ananako raha toa ho anao dia foiko,
Vao mba mihiratra ny maso, vao misokatra ny vavako, ny anaranao no antsoiko!!!

LAMDA: Akaikinao fahafinaretana, raha toa ianao lay volana dia 'zaho lay kintana,
Rehefa misy anao zaho tena tsara vintana, mba mangataka hiteny fa lay foko tena love,
Resaka razoky fa sanatria vazivazy e (love, love, love)
Lazaiko anao f'ianao masoandro manazava vao maraina,
Rehefa valabalaka aho d'ianao mamelon'aina, sarobidy tsy atakalo,
Fa lay foko tena love!!!

REFRAIN: Mila love, Mila love, Mila love ...


TANN FAYA: Hum hum hum, satry hitia anao
Tsy afaka ny hiala f'efa zatra anilanao (yeah)
Mpanjakavavy ianao, fonosiko am'lay hoe tiako ianao,
Matoa zaho miteny, matoa zaho mitory fitiavana dia love anao, mahatonga ahy mijoro
Tsy atakalo f'ianao lay tokana mampitempo ilay foko,
Raha ftiiavana ny anaranao no antsoiko

LAMDA: Niezaka ihany aho fa lehilahy, niezaka ny handà,
Niezaka tsy hiresaka fitiavana zalah fa ...
Sendra tratran'ny tsy nampoizina dia babo ny ato anatiko nahita ny endrikao Gyal,
Vatana toa reraka (Ny saina manavinavy)
Fa babonao tanteraka (Ny foko ratovovavy)
Ka mila anao iiio (Mila mila anao io)
Efa lasanao iiio (Efa efa lasanao io)

REFRAIN: Mila love, Mila love, Mila love ...

LAMDA: Tsy rarahako intsony na dia tsisy mjery anah,
Ianao misy hikitika dia mahasaropiaro anah,
Mila love love love za ra-Gyal e,
Anilanao lay mampitsiky mampifaly e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tann Faya
Vangy : 8785
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 25/10/2014 19:29
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0216