Ozona (Tann Faya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho tsy hamono tena na misaraka aminao, an an an
Fa raha omby tena efa namidiko amin'ny kilao
Tsy hahita otran'anahy intsony na hitady vaovao
'Zany ary ny tena ozona ka raiso ho anao

Enga anie ho sendra mamolava ianao,
Mpamono vady
Miala an-trano alatsinainy tsy hody tsy Alahady
Bandy 'tsisy kandra, nandra sy mitapy
Enga anie ho fijaliana tsy ho hita hatramin'ny faty
Fa izaho, io, miandry ny fahavoazanao
Miandry ny fahavoazanao

Sao manantena tso-drano
Fa ompa be no misy e
Ho tojo mpitantara angano, na tafon-trano tsisy e
Iriko ianao hahita olon-tsampona, tsy vanona, mpanota ratsy fanahy
Iriko ho ranomaso lava, tsy hisy tsiky intsony amin'ny tavanao mahatsiaro ahy

Enga anie ho sendra mamolava ianao,
Mpamono vady
Miala an-trano alatsinainy tsy hody tsy Alahady
Bandy 'tsisy kandra, nandra sy mitapy
Enga anie ho fijaliana tsy ho hita hatramin'ny faty
Fa izaho, io, miandry ny fahavoazanao
Miandry ny fahavoazanao
--------
Rohy:
Hevitra
hasiniainaraherinirina ( 29/05/2019 18:09)
Zany ka ozona tena ozona mafy an
Anarim ( 07/10/2020 18:34)
Hummm tsy haiko aloha ny inspiraka fa kivy aho... Mba marina mafy...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tann Faya
Vangy : 9215
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 11/09/2018 11:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729