Lasa izy (Tann Faya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refrain : F' efa lasan' olonkafa izy,
Ianao mba mitadiava,
F' aza dia variana zatra lay taraina lava,
An'olon-kafa izy,
Lasa izy dia lasa, Yeah! x2

Teo am-pelatànanao izy iny omaly!
Nefa nalikainao dia nandao anao androany!
F' efa lasan' olon-kafa izy iny, man eeh!
Marina fa marary anao le ratram-po mijaly eeh!
Nefa akory ny atao,
Ny hany mba vahaolana mitadiava vaovao!
Akory ny aminao ?
Aza asiana nenina fa io hadalanao.

Nanaja anao izy,
Hitsaka tsy mendrika no mba nomenao azy!
Fa niharitra mafy izy!
Normaly raha nandao fa leo lay fikan-jaza!
Nenina tsy aloha f' afara,
Valizy efa vita ny azy omeo tso-drano tsara!
Vita lay tantara!
Nofiran' olon-tiana ianao ho'aho f' aza be kafara

Ref...

Fa safidy ny azy,
Ny nandao anao re havana!
Tsy afaka hifameno fo 'nareo matoa nisaraka!
Tao nilatsaham-baratra ianao io naheno
F' olon-kafa ndray no ataony sambatra!
Tonga dia hadinoy hatreo f' io ranomasonao lava io ange ihomehezan' izareo!
Lay hoavy 'ndray jereo!
Fa tsy vahaolana 'nge ny anao na dia himenomenona eo.

Ref : ...

Lasa fiainana hafa ny azy,
Lasa fandriana ahfa ny azy,
Lasa vady hafa ny anazy,
Lasa nofy hafa koa ny azy,
Fa very ianao very azy,
Very ianao very azy!
Tsy ny hoalahoala sy ny sia no hahavoasolo ny olona niala taminao
Fa raiso anatra, izy tsy hiverina 'tsony, raiso hery dia mitsangàna mitadiava vaovao,
Dia efa lasa izy aza haratsiana fa ny fahadisoana anao,
Ianao tamin'ny niaraka taminy iny ny tsara indrindra taminao!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tann Faya
Vangy : 5163
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 20/03/2016 22:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763