You are here: home > Tononkira > Tann Faya

Dem (Tann Faya)

Kelikely aho omaly, mbola ho glady aho radem
Mahantra kely aho androany fa mbola ho feno aho radem
Zaho miteny io malemy fa mbola ho mafy aho radem
Dia zaho ho tompon' ny life f' ianao ho tompon' ny nenina
Ranomaso aho androany fa mbol' hitsiky aho radem
Na tomany aho anio fa fenoiko sitraka telina
Oran-dava ny omaly mbola ho baliaka io radem
Ratsy vintana androany, fa mbola hihatsara io radem

Mety hoe adala aho
Hoe doma be mpanofy atoandro aho
Farafaratsiny anefa hafa aho
Fa 'nTsiky dia ampyareo rehetra ange
Nareo rehetra ange
Mitovy daholo

Raha resy lava aho omaly, mbola ho mpandresy aho radem
Firy taona nijaly fa mbola ho faly aho radem
Malo-tava aho androany, mbola ho sariaka io radem
Niafy kely aho omaly fa mbola hiliba aho radem

Nofy
Nofy
Enga anie ho tanteraka
Na sarotsarotra ny làlana fa zaho koa tsy hifezaka
Raha tsy tongako 'zany, azafady fa zaho tsy hipetraka
Natao ho tody matoa 'tsika rehetra nateraka

Mety hoe adala aho
Hoe doma be mpanofy antoandro aho
Farafaharatsiny anefa ha

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tann Faya
Mpamaky : 1086
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 04/01/2017 11:28:52
ID : 9046

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo