Hoderainay mandrakizay (TANA GOSPEL CHOIR )

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hoderainay mandrakizay anie ny anaranao
Mba hanaovana izay rehetra sitrakao e!
Ho tompoinay mandrakizay tokoa ny anaranao,
Ray ô!
Hanehoanay fa izahay ry Tompo dia zanakao

Sitrakao ry Ray, raha ho mpino sy
mpankato Anao zahay
Nefa ny mitranga, be ireo fahotana ratsy
vitanay
Mba afaho izahay, amin'ny hadalana
vitanay ety
Ny androm-piainanay ho fiderana lalandava,
Anao Kristy

Tsy ho tratry ny sainay ny fahaizanao
Tsy voafaritray hoe: hatraiza ny herinao e
Ka havaozinay lalandava ny finoana Anao
Ray ô!
Hanehoanay fa izahay ry Tompo dia voafi -
dinao

Sitrakao ry Ray, raha ho mpino sy
mpankato Anao zahay
Nefa ny mitranga, be ireo fahotana ratsy
vitanay
Mba afaho izahay, amin'ny hadalana
vitanay ety
Ny androm-piainanay ho fiderana lalandava,
Anao Kristy

Tomponay Tsitoha, derainay amin'ny fo
Tomponay malaza, izahay midera sy
mankalaza
Tomponay Mahery, Ny fitiavanao tsy miery
Tomponay Mpanjaka, Ianao no tompon'ny
laka
Haleloia

Tomponay Tsitoha, tianao zahay zanakao
Ho mpanomponao tokoa, ka handà zao
tontolo izao
Vonon-kanaradia, Anao Kristy
Ho zanaka manoa hanaraka Anao Jesoa
Arovy sy tantano ny fahavalonay sakano
dia satana sy ilay devoly e, tsy hanaraka anay
intsony
Izany ny vavakay, ankininay aminao
Ka ny androm-piainanay, hankalazana ny
anaranao
Haleloia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TANA GOSPEL CHOIR
Vangy : 25609
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : boutchiiie
Daty : 20/05/2014 10:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1113