TSY IRERY (Talent For Jesus)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay fo feno fery tao anatin’ny ady, nangina tsy nisy mpijery
Nihazakazaka aho tatsy, nivezivezy aho taroa toa latsa sy famoizam-po

Dia nikiaka mafy aho hoe inty aho vonjeo
Tsy afaka intsony aho ka mba mitoreo
Njay feo iray naneso ahy
Hay satana io reko io

Ireo namako izay akaiky ahy noheveriko hitantana ahy
Ndreny nitsoaka nanao farahehy, nianjera aho tsy afa-nandeha

Nody ny saiko ary avy eo, tsy misy mpamonjy afa-tsy iray
Jesosy ilay mibitsika hoe: zanako ianao, malalako ianao, inty ny tanako raiso
Malalako ianao,lovako ianao, avia ry zanako izany
Malalako ianao, lovako ianao, avia ryzanako izany

Nody ny saiko ary avy eo, tsy misy mpamonjy afa-tsy iray
Jesosy ilay mibitsika hoe: zanako ianao, malalako ianao, inty ny tanako raiso
Malalako ianao,lovako ianao, avia ry zanako izany
Malalako ianao, lovako ianao, avia ry zanako izany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Talent For Jesus
Vangy : 1382
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ntsoaraz
Daty : 25/04/2017 12:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718