HIRA FANEVA FAHA 25 TAONA (TA.KRI.VA (Tanora Kristiana Vavolombelona))
Mpihira : TA.KRI.VA (Tanora Kristiana Vavolombelona)Mpamaky : 881
Nampidirin'i : fanomezantsoa
Tamin'ny : 24/05/2007 15:11:23
ID : 4440 1-Fo falifaly fanahy ravoravo
Endrika vonona hanandratra avo
Ny Anaranao Tompo Tsitoha
Lay hatrizay hatramin’ny taloha
Indreto izahay avy hidera Anao
Hihira hikalo fihiram-baovao
Hijoro koa vavolombelona
Fa tena tsara ny mihira ho Anao
ref:Tsara (3) fa tsara ny mihira
Feo fiderana no indro hasandratray
Tsara tsara ny mihira
Ny mihira hoan’Andriamanitsika
Fa tena tsara tsara ny mihira
Vavolombelon’izany izahay
2-Dera sy laza ho mandrakizay
Atolotray ho Anao ry Rainay
Izay nitahiry sy nanavao
Nanolotra izao fotoana izao




