Fitiavana mamy (Taa Tense)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manjombona ny andro irery aho fa tsy eo ianao
Hitoetra ankilanao foana no hasambarako ilain'ny fitiavako
Mba tiako ho ahy irery, ny fonao sy ilay fitia izay nomenao ahy
Hiara dia aminao no tiako, izany no faniriko

Ref: fitiavana mamy izay tonga hoa azy tsy no force-na
Izay nampiray ny fon-tsika sy ianao
Nahazo vahana anatiko ao
Voajanahary, namalifaly,nampitomany
Anao tiako ôôô!! Anao tiako ôôô Masoandrom-pitiavako

Minitra vitsy tsy ahenoko ny feonao
Tsy mahazo aina anatiko ao
Andro iray tsy ahitako anao
Manosika ahy andeha hitady anao
Tena satriko foana ahita anao akaikin'ny foko
Hiara-dia aminao no tiako,
Izany no faniriako

Ref: fitiavana mamy izay tonga hoa azy tsy no force-na
Izay nampiray ny fon-tsika sy ianao
Nahazo vahana anatiko ao
Voajanahary, namalifaly,nampitomany
Anao tiako ôôô!! Anao tiako ôôô!! Masoandrom-pitiavako

Na ho mora na ho sarotra aza ny fiainako ety antany
Hifampizarana na tsiky na tomany
Ho anilanao hatrany
Fo roa mitambatra ho iray
Tsy ho voaravan'iza n'iza io na iza


Ref: fitiavana mamy izay tonga hoa azy tsy no force-na
Izay nampiray ny fon-tsika sy ianao
Nahazo vahana anatiko ao
Voajanahary, namalifaly,nampitomany
Anao tiako ôôô!! Anao tiako ôôô Masoandrom-pitiavako

fitiavana mamy izay tonga hoa azy tsy no force-na
Izay nampiray ny fon-tsika sy ianao
Nahazo vahana anatiko ao
Voajanahary, namalifaly,nampitomany
Anao tiako ôôô!! Anao tiako ôôô Masoandrom-pitiavako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Taa Tense
Vangy : 6905
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Boyanjahnah
Daty : 14/02/2018 07:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1521