ZANAKA NANIA (T.K.F.M "TANORA KINTAN'NY FITIAVANA MORARANO")

                                

Ray o, nomenao fo madio ‘zahay
Nahafahanay  nirehareha
Nefa anie, toa tsy nahay nandeha
                Ray o, omena anay mandrakizay
                Fa mangetaheta  izany  izahay
                Zaza  fanahy toa mila  antojay
Hifonako aminao avokoa
Reo adalana  taloha
Fa ianao no efa hitantana
Raha sendra voa
Kay  voa  tokoa

Ray o ! reo namako izay marobe
Tezitra  amiko  daholo  ve ?
Sa mba hisy hamela ahy handeha
               Ray o, Tsiky dia ampy‘reo otako mba havelao
               Na dia efa voa vao mitalaho
               Raha azo atao , mba hiantrao

Hifonako aminao avokoa
Reo adalana vita taloha
Fa ianao no efa hitantana
Raha sendra voa
Kay  voa  tokoa

Nomenao hasambarana
Nomenao fitiavana
Nomenao fo madio
Nomenao hanitarana
Ity fiainako efa zary sasatra  

                                   A/C: HANDRINANTSOA
                                 TARIKA MARIKA & T.K.F.M
                   “TANORA KINTAN’NY FITIAVANA MORARANO”

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : T.K.F.M "TANORA KINTAN'NY FITIAVANA MORARANO"
Mpamaky : 236
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : handrinantsoa
Tamin'ny : 10/04/2018 15:03:28
ID : 10537

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo