You are here: home > Tononkira > STK Ny Hafatra

TOLORY TANANA (STK Ny Hafatra)

1- Vahao ny fatorany, aza avela irery
    Fa miandrandra ilay, ampitso vaovao
    Mijoroa fa, aza misalasala
    Na mangatak'andro, tanteraho ny adidinao
  
2- Jeso no nilaza, hoe manatona izao
    Mba ho lavorary, ny fiainanao
    Izy irery ihany, no lalan-tokana
    Makany an-danitra, eo ankavanan-dRay

3- Fiainam-baovao, ho ahy sy Tsiky dia ampyho anao
    Hamakivakinao, ny onjam-piainana
    Fakam-panahy, apetrak'i  satana
    Ho mora foana, no handresy izany

Refrain:
Tolory tanana, ireo namana
Na  ny manodidina aza, mila anao izao
Ianareo no fahazavan'izao tontolo izao
Mba haneho ny fanjakany, amin'ny olona rehetra.

STK NY HAFATRA FJKM TANJOMBATO MARITIORA
Tonony sy feony: Edisoa RAKOTONIAINA
  

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK Ny Hafatra
Mpamaky : 267
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : radothif
Tamin'ny : 25/01/2019 22:55:55
ID : 11323

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo