You are here: home > Tononkira > STK Ny Hafatra

Ny Asanao Fanahy (STK Ny Hafatra)


1- Zava-tsarobidy loatra ny Asanao Fanahy
Nikolokolo nanamboatra izay rehetra momba ahy
Ka nitera-bokatsoa: fiadanana, fahari-po,
Fahamarinana, fahamoram-panahy, ary tia mandefitra
Ny lehibe indrindra naterakao Fanahy dia fitiavana

REF:
Ry Fanahy voatafy hery izay Iraky ny Ray
Tsy navelanao ho very, bitsikao nananatra ahy
Arehetonao Fanahy nyTsiky dia ampy otrik'afo ato am-poko
Hanazava ny haizim-be tsy hahitako Anao Jesoa

2- Amin'ny andro farany any hoy Ianao Jehovah Ray
No hampidinako eto an-tany, handrotsahako Fanahy
Hahazo hery avokoa ireo olona izay miova fo
Sahy manambara sy hijoro tsara ho vavolombelona
Ho fenoina hery, Fanahy mpampahery sy mpananatra

STK NY HAFATRA
A/C: Mino
Album MIHIRA HO AN'ANDRIAMANINTSIKA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK Ny Hafatra
Mpamaky : 575
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : heryfitiavana
Tamin'ny : 25/08/2015 12:15:32
ID : 7667

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo