You are here: home > Tononkira > STK Ny Hafatra

Hihira ho an'i Jehovah (STK Ny Hafatra)



Vao miposaka ny andro dia fahasoavana hatrany
No omen'i Jehovah antsika eto ambonin'ny tany
Inona ary no havaliko,havaliko an'i Jehovah?
Noho ny soa nomeny,nataony am-pitiavana ireny

Eo ny rivotra,ny aim-baovao,ny hazavana tsy laninao
Ny fahasalamanao no toy izao dia avy Aminy io fa tsy tsapanao
Nomeny koa ny Zanany,nafoiny tsy nisy sarany
Ianao sisa no andrasany hanandratra hatrany ny Anarany

Hihira ho anTsiky dia ampy'i Jehovah aho fa Avo indrindra Izy
Hihira ho an'i Jehovah aho fa tsara indrindra Izy
Ny feon'ny fiderako asandratro hatramin'ny Avo
Raha velona koa ny aiko,hihira ho an'i Jehovah aho

Izay nataony dia tsara tsisy ny hoe lany zara
Samy mahazo ny anjara hatrizay ka hatrany am-para
Inona ary no havaliko,havaliko an'i Jehovah
Noho ny soa nomeny,nataony am-pitiavana ireny

STK NY HAFATRA
A/C: Tonton Dina
Album MIHIRA HO AN'ANDRIAMANINTSIKA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK Ny Hafatra
Mpamaky : 787
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : heryfitiavana
Tamin'ny : 25/08/2015 21:26:12
ID : 7680

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo